GTT Iraisam-pirenena Genève (GTT International – Genève), izay manana ny foibeny ao Genève (Suisse), dia manao izao fanambarana izao mikasika ny hetsika famoriana ny Tanora mpitolona ao Antsirabe na any an-toeran-kafa.
Ampahibemaso no anambarany fa tsy ny GTT Iraisam-pirenena Genève mihitsy no niantso na mikarakara io fihaonana io. Tsy manana mpikambana ao Antsirabe na nandefa solon-tena any an-toerana ny Fikambanana.
Noho izany dia tsy misy idiran’ny Fikambanana GTT Iraisam-pirenena Genève io hetsika io ary tsy misy tokony afaka mitondra sy manararaotra ny anaran’ny Fikambanana ho amin’izany. Ny ankoatr’izay dia fisandohana sy famitahana ny tena mpitolona ho an’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ary ny famoahana ny gadra politika, izay tsiahivina etoana fa hatry ny ela no efa tanjon’ny GTT Iraisam-pirenena Genève ary mbola arahany sy hitolomany hatramin’izao.
Ity fanambarana ity dia tsy mitsipaka velively izay hetsika manaraka sy manaja ireo tanjona voalaza eo ambony ireo.
Genève, 6 jolay 2012
GTT INTERNATIONAL – GENEVE – Collectif des Patriotes Malagasy
15, rue des Savoises
1205 GENEVE – SUISSE
collectifgtt@gmail.com
http://gtt-international.blogspot.com/







Gasy Taitra Tampoka (GTT) de Genève!
Qui sont-ils exactement??
Basile RAMAHEFARISOA
1943
b.ramahefartisoa@gmail.com
[Répondre]