Communiqué VM Fetison R. Andrianirina : « Les chemins de crêtes »


Fetison R. Andrianirina : « Les chemins de crêtes »

Fetison R. Andrianirina : « Les chemins de crêtes »

Ny trangan-javatra mahonena iainan’ny mponina any amin’ny tapany atsimon’ny nosy manontolo faramparany izao, ny fitotonganan’ny fandehanan-draharaham-pitondrana mikorosy fahana, nyfihazakazaky ny fahantran’ny sarambabem-bahoaka ary fihetsik’ireo mpanao politika mpanararaotratato ho ato dia mitaky ny hizoran’i Madagasikara sy ny Malagasy amina lalana mihilangilana an-tampon-tsolatra tsy hahavery azy anaty kizo sy ny kobaka am-bava mampikatso sy mandoto ny dinikapolitika.

Mikendry ny hanala ny Malagasy amina adiady madinika sy antso an’efitra tsy mahomby ny AntokoPSD ka manolo-kevitra ny hihetsehan’ny hery rehetra, handrafetana fiaraha-mientana sy fampihaonanany fahasamihafana.

Ainga vao miendrika fanamby marina tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny Tantaram-pirenentsika nomaka faka, dia ny : fahaterahana Fitondram-bahoaka mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny,matanjaka sy tsy mivaky, mirehareha amin’ny fahasamihafan’ny faritra ao aminy ; fiekena fisianasoritra iombonana mirafitra sy mivoatra anatina drafi-pitondrana miainga avy amin’ireo fomban-drazanaloharano sy lakandranon’ny ribam-pirenentsika, ny fanasinana ny maha-olona iombonana maneran-tany, ny demokrasia sy ireo zo fototra, sy ny fankatoavana ny fiambonian’Olombelona, ny fisokafanaamin’izao tontolo izao ary ny fiaraha-midiniky ny samy firenena sy fifanatonan’ny riba samihafa.

Ireo Sori-dalana sy Andry valo natolotry ny fanavaozam-pitantanana ny antoko PSD ny 23 Aogositra2012 no tsy maintsy hahatò izany fanamby izany. Voasoritra tanatin’izany : ny fanomezan-kasina nyfaritra malagasy (1) anatina Fitondrana foibe matanjakana manaja ny fahavitan-tenam-paritra sy nyfilàna ny fitsinjaram-pahefana mirindra (2) ; ny fametrahana : Drafi-pandaminana iray sady soridalanano tari-dalana, ilay hoe « Madagasikara Tia Fandrosoana » miaraka amin’ireo tanjony fito (3) ampiarahanaamina Politikan-kolontsaina mametraka ny hambom-pon’ny fahasamihafana (4) tsy misarakaamin’ilay Drafi-pampivoarana ny tanora malagasy antsoina hoe « Tanora Mijoro » (5) ; « Dinam-piaraha-monim-pirenena » iray izay ikendrena ny hampatanjaka ireo sokajin’olona marefo anaty fiarahamonina,hampanjary ny fiombonam-piaraha-miaina sy ny soatoavina repoblikanina (6) izay mifanindraan-dalana mandrakariva amina fitantanan-draharaham-pitondrana tena lahika, antoka tokana hofampanajana ny fahalalahana ara-pinoana sy ny fepetran’ny fitoviana (7) ; Fiverenana arahina fitobohanaamina demôkrasia manara-penitra izay mitaky ny famerenana ny Lalàm-panorenan’ny RepoblikaFahatelo sy ireo andrim-pitondrany, satria ny fahatapaham-pitantanana tsy nifanaraka tamin’nylalàm-panorenana tamin’ny volana marsa 2009 dia tsy tokony hametraka fiovana fototraankatoavin’ny lalàna velively izay heverina hifanaraka amin’ny toe-draharaha misy sy ny zava-misyanivon’andrim-pitondrana ; fa hampidi-doza ny fankatoavana ho ara-dalàna izay rehetra mety ho fampiasan-kery ny mifanohitra amin’izay (8).

Rindran’asa voafantina sy miandalana anatina toe-tsaina vonon-kanarina sy vonon-kanorina no hahatanterakaizany rehetra izany, rahefa hain’ny Malagasy ny mifanaja sy miombona.

Ireo fifamotoana hiantsoan’ny antoko PSD ny rehetra handrafetana izany rindran’asa izany dia tsyikendrena fotsiny ny ho fiatreham-pifidianana samihafa fa tafiditra indrindra ihany koa anatin’ilayfomba fiasa manasina ny fandraisan’anjara mavitriky ny olom-pirenena tsy anavahana. Amin’izay,samy hahatsiaro ho tompon’antoka ny isam-batan’olona ka samy hahita ihany koa izay ho anjaratoerany ao anatin’izany. »Ny fandrosoana sy ny fampandrosoana, mandala sy mitsinjo ny maha-olona ».

Version française

D'accord, pas d'accord ? Réagissez - 12 réactions

Lovabe dit :

Misaotra r’ingahy Fetison ô ! Tsy ilaina tokoa ny mifamaly sy mandany andro amin’izay resaka tsy misy dikany. Ny firenena jerena ary manomeza vahaolana amin’izao fijaliam-bahoaka izao. Aza ho isan’ireo izay tia tena tsy mijery afa tsy ny tombontsoany…

[Répondre]

Verohanitra dit :

Aoka izay ny resabe tsy hahitam-pahombiazana. Halefaso handamina ny any atsimo ny Komisera Pierre Tsiranana izay toa nahavita be tamin’ny fitifirana tamin’ny 1972 raha azoko tsara ny resaka. Raha diso aho dia ialako tsiny fa tsy mbola teo aho tamin’izany.

[Répondre]

Imahaka dit :

Tsara dia tsara ny faniriana Atoa Rakoto Andrianirina fa « indro kely » hoy ny fiten’ny mpandrafitra.

« Chemin de crêtes » marina no misy ary tsy maintsy lalovana sy diavina .

Ny PSD vaovao … Tonga dia miomana ny « après crise »…Et, la crise et la sortie de crise ne relèvent que des autres partis et mouvements … Cà ne le regarde pas. Ils n’ont pas fait la bataille mais sont déjà victorieux.

Le PSD vaovao se croit au dessus de tout et de tous.

C’est vraiment le « chemin de crêtes » que le PSD Vaovao et Rakoto Andrinirina empruntent … Un funambule qui eput bien amuser la galérie …
Cà passe ou çà casse !!! Tombe …? Tombe pas ? …

Est-ce perso ou une tactique de Ravalomanana, vu que Rakoto Andrinirina est un ancien cadre dirigeant du TIM … Tous les moyens sont bons pour avoir le pouvoir … : infiltrer les partis, faire un appel du pied aux « anciens » barons du PSD de Dadabe Tsiranana, la plupart convertis en AREMA, et autres …
Ce ne sont pas les idées qui manquent …

Pour preuve, le TIM se fait discret sur ce revirement d’un de ses cadres dirigeants …

Nos jeunes politiciens sont tous des apprentis V.R.P., juristes, « politiciens »… maîtrisant mal leur mission et surtout leur philosophie politque. C’est au coup par coup. … Pas sérieux du tout ! Trop versatiles …
A part quelques vieux briscards … qui ont de bonnes idées et fidèles à leurs principes mais n’en peuvent plus … et n’ont malheureusement pas ni de dauphin, ni de fils spirituel.

Rien que la personnalité de Ravalomanana et de Rajoelina, … Tout le monde se permet de les critiquer, dénigrer … sur leur niveau intellectuel et autres … Ratsiraka et Zafy, etc… étaient bien au pouvoir avec leur BAC + 6, +8, …
Cà ne se fait pas vis-à-vis d’un Président de la République ou de qui que ce soit. Ils sont là, accepté et voulu, parce qu’ils ont d’autres valeurs.

Quelque part, la responsabilité incombe simplement aux électeurs … C’est bête mais c’est comme çà !

Rakoto Andrianirina croit encore au Père Noël ! …

Ravalomanana va l’effacer d’un revers de main …
Le « clan Tsiranana » va le « gober » … Ni vu, ni connu !
Rajoelina ne fait que constater !

En politique, on ne nous dit pas tout et ‘faut s’attendre à tout !

Veloma !

P.S. : Le Colonel Rabetafika, brillant saint-cyrien, a été depuis toujours le dauphin du Général Ramanantsoa. Chef d’Etat-major, Secrétaire du Gouvernement Ramanantsoa, un C.V. irréprochable, très intelligent ( mais porté sur les boissons …), …
Le Colonel Rabetafika et autres n’ont pas du tout avalé que le Général Ramanantsoa a donné les pleins pouvoirs, en 1976, au Colonel Ratsimandrava … Grand serviteur de la Nation avant de servir l’Etat. A l’écoute des paysans, du Vahoaka …
Le choix du Général Ramanantsoa a été sage.
LA SUITE … Ce ce qu’on vit maintenant !!!
Et on peut bien se passer de Ravalomanana, de Rajoelina et autres farfelus … Manana « OLOMANGA » isika, sans Ranjeva et autres …

[Répondre]

Tsitialainga a répondu :

@Imahaka, raha ny fahalalako azy tsy TIM i Fetison(ahitsiho aho raha diso), saingy anisan’ny olona voalohany nanampy ny mouvance R8 izy.

[Répondre]

Dr CELESTIN Robin a répondu :

@Imahaka,

Ne parlez pas des personnalités que vous ne connaossez pas et leurs onctions ,surtout pas de leurs comportements !
Car vous trompez de beaucoup et dans le mauvais sens !

Dr CELESTIN Robin

[Répondre]

Lovabe dit :

Ary aminao kosa toa izay mitsangana dia ratsy avokoa ? Ary sao dia ianao ilay « olomanga » andrasan’ny firenena ? Mitsangana fa raha manana hevitra tsara sy azo ampiharina ianao dia ho avy izahay hanohana mafy. Mila hevi-baovao sy fomba fiasa vaovao tokoa ny firenena… Ndao amin’izay !!!!

[Répondre]

Lovabe dit :

Hafatra ho an’Imahaka ilay teo ôoooooo ! azafady fa tsy mbola zatra mampiasa an’ity fitaovana ity

[Répondre]

balita dit :

Inona no tanjona raha manao communiqué. Ny tsy hahazoan’ny olona izay lazaina? raha izay no izy tratra ny tanjona ry Fetison. Bon courage ary eh!

[Répondre]

Je pense que les débats sont nécessaires et ne veulent et débattre ne veut pas dire se chamailler , se qureller : la trduction de ce mot en malgache Nous donne la dimension et le sens de chercher ensemble avec nos vérités et nos erreurs ce qui Nous permet d’avancer : mady hevitra ,misavorivory mba ahitana teny ierana !

[Répondre]

tatita (taranaka tia tanindrazana) dit :

Ny mahagaga ahy amin’ny fanamarihanareo mianakavy dia izao, toa tsy misy rototra amin’ny tena votoatin-dresaka izany hoe ireo olana fototra misy eto amintsika sy ny vahaolana heverin’i Fetison hamahana azy. Toa lany ron-doha amin’ny fanenjehana ilay olona isika. Izaho izao mba miandry an’izay hitsikera na hanamafy ny iray amin’ilay teboka valo voalaza ireo avy amintsika fa raha ny fahitako azy tsy ratsy ilay hevitra fa miandry ny fanatanterahana azy Atoa Fetison a!

Raha tsy izany dia holazainay fa « FetSi-son » fotsiny ianao!

[Répondre]

Dr CELESTIN Robin dit :

Tena tsara ny hevitra aroson »Atoa Fetison..Tsy mirehareaha izy manome ireo loha-kevitra entiny manazava sy mamisavisa ny andraikitra tsy mntsy sahinana raha toa isika mitady fanovam-pisainana sy fiezahana manova ny fijery ary ny fanadiadiana ny tokony hatao hanatsarana ny fomba fitondrana ny Firenena ary ny fifampitondran-tsika sam isika ao anatin’ny fiaraha-monina tony , vonona amin’ny alalan’ny savorivory (débats) mihafara amin’ny
teny nifampierana sy nifanamezana…, izay tsy lavitra ny filamatry ireo Malagasy zokintsika nofeheziny hoe :
 » NY ISAVORIVORIAN – KILATOANA ! »
Misaotra Anao Atoa FETISON manoro sy manamafy io làlana nizorany ny Malagasy ,ary mbola misy manaraka ankehitriny eny Ambanivohitra sy any amin’ny Faritra , Distrika ary Fokontany maro !

[Répondre]

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Votre commentaire n'apparait pas ? Lisez ceci