Courrier du lecteur : « Mitaraina ny ran’ny Malagasy »


1 – O ry Mpitondra foy be Ray aman-dReny hajaina ô, dia milamina sy azo tory tsara ve ianareo mahita ity fifamonoana samy Malagasy ity. Sitrany ve hoy ianao ny maha dahalo azy ? Tena safidiny ve ? Ary tena safidin’ny  vahoaka  ve ny hamono, handoro ireo malaso, zaza, tanora, eny fa na olon-dehibe aza ? Asa re, na hatraiza ny feon’ny fieretreretanareo, indrindra ho anao ry Filoha hajaina ANDRY, vidio re ny anaranao, ho andry iankinan’ny vahoaka, ary asehoy ny hambo-po-pirenena izay tiana tokoa ny miventso an’izany. Aiza ianao ry Fikambanana « FITIA », andefomandrin’ny Filoha ianao, fon-dreny, hetseho re ny fon’ny dada raha sepotra, fa mifamono ny vahoaka malagasy, tsy ampy « Fitia » matoa tody amin’izany. Ilaina tokoa ny tafika amin’ny fandriam-pahalemana, fa tsara lavitra noho izany ny fahasahiana hisambotra ireo dahalo ambony latabatra. Koa raha tsy ianao Filoha no ambadik’izao, dia ampisambory ireo dahalo ireo, fa na zazakely efa vory saina afaka mahatakatra hoe : nahoana ny dahalo no manana fitaovana mahery vaika toy ireny, dia hiteny ve ianao fa tsy fantatro ? Raha tsy fantatrao tokoa ary, dia maneho aminay vahoaka izany fa mbola tsy manana traikefa ianao ,ary hita fa efa tsy maha voafehy intsony ny Firenena, ka ny mametra-pialana no fahendrena mety. Ho sahinao ve ny hametra-pialana? Nofy izany ? Andraso eo ary fa ho tonga aminao ny hafatra. Mba efa tany antsimo ve ianao amin’izao toe-javatra izao ?

2 – O ry Andriamatoa Ravalo sy Lalao ô, aza mba mety hatao fahavalo tokoa ianao Ravalo, ary aza lalaovina ny fianam-pirenena ry Lalao, ka sao ianareo ihany koa no ao ambadik’izao, mba hilazana fa tsy mahavita ny tetezamita, ka dia ho tafaverina moramora eo ianareo. Nefa raha izany no ao an-tsaina, dia tsy hahasoa anao izany. Raha tsy ianareo ary, dia asehoy anay vahoaka ny mporofo fa tsy ianareo, vakio batsilana izay rangory fototry ny afo amin’izao toe-javatra tsy mendrika ny maha olona izao. Asehoy fa olo mbola tia Tanindrazanao ianao Filoha, ka ho tsarainay vahoaka hoe iza marina no tena mendrika ho filohan’ny Malagasy ?

3 – Ho anareo mpitondra Fanjankana aty antsimo, mba tsy hilazana nyû faritra hafa ; mahasahia mijoro hanao fitakiana any amin’ny Fanjakana foibe (raha tsy efa voavidy koa ianareo), ka hisambotra ireo dahalo ambony latabatra. Satria ve hoy ianao tsy misy porofo hahafahana misambotra izany, ary iza no ho samborina ? Porofo inona koa no mihoatra ireo fitaovana hita fa mahery vaika ampiasan’ireo dahalo ireo ?AVY AIZA IREO, LATSAKA AVY ANY AN-DANITRA VE ? ARY MANKAIZA IREO OMBY ? Mazava fa tsy afa-miala amin’izany ny Filoha (na izy ao anatiny, na izy tsy mahasahy fa tia ny fahefany), ny ministra momba ny varotra sy ny tafita, mba tsy hilazana ny sasany. Entano hikomy ny vahoaka, hikomy tsy misy herisetra, fa fanehoan-kevitra an-kalalahana, am-pilaminana, am-pahendrena sy fitiavana. Ary sao ary mba misy harena hafa ny ao antsimo ao, ka tianareo hisesi-tany ny vahoaka ???

4 – Manainga ny vahoaka Malagasy rehetra. Andao hiombona, hihetsika, satria  nahoana no tsy taitra ny mpitondra Fanjakana foibe, sa mody taitra ve, satria hanome vola be izay mahasambotra,na mahafaty an’i Remenabila ? Hay misy vola ny ao, ampiasao io vola io hitadiavana ny soa ho an’ny vahoaka, fa aza mody atao safosafo mampandry andrisa eo ny vahoaka ; sao ianareo ihany ilay Remenabila, andao fa tsy ho ela dia ho tody aminareo ny hoe izay mahavoasambotra na mahafaty an’i Remanbila dia ho mena vola ? Ny handosiranareo any ivelany toy ny ataon’ny sasany reny no hiafaranareo koa raha mbola tsy taitra ihany ianareo. Eny eh, efa taitra tokoa ianareo Fanjakana boibe satria mandefa tafika hamono ireo daholo izay voatery dahalo satria noana, voavidy vola, tsy nisy nanabe sy nananatra. Mijoroa isika vahoaka, ny misambotra ny dahalo ambony latabatra no vahaolana maharitra tsara indrindra.

5 – Ry tafika Malagasy ô, indrindra ho anareo atao sorona dia manaiky satria izany no baiko’ny lehibe, misaotra amin’izay efa vitanareo, ary miara-ory amin’ny rahalahy maty noho ny fanom-poam-pirenena. Fa izao aza mety atao fitaovana hamono ny gasy toa anao ianao, fa mivondrona ianareo, sambory ny tena daholo, dia ireo mana-bekibo ambony latabatra, ireny tena dahalo. Rehefa tena hamongotra ny ratsy dia ny fotony no fongory.

6 – Manainga ny mpitondra fivavahana rehetra, manaova vavaka firaisam-pinona re raha sitrakareo, ary asehoy amin’ny fomba miavaka izany vavaka hatao izany ; satria mahery Andriamanitra, ary mahay manova ny fo vato ho fo nofo. Soso-kevitra fa ianareo mpitondra fivavahana mahita ny fomba sy ny fotoana hanantaterahana an’izany. Ataovy haingana re raha sitrakareo, fa mahaloaka lanitra ny vavaka, ka hirotsaka amintsika rehetra ny Fanahy Masina.

Dia ho taraina any an’efitra ve izany rehetra izany, ka tsy misy mpihaino ?

Mba henoy fa mitaraina  ny Ran’ny malagasy,

ary tsy zakanao ry dahalo ambony latabatra ny vokany.

Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay…….

Frydolin Anjarason

D'accord, pas d'accord ? Réagissez - 12 réactions

profane dit :

oay e……zany ka taratasy mandona fo !

apparament tnn, vous êtes arrivée au coeur du peuple malagasy…..soyez-en digne, c’est un immense honneur!

aza mandraraka ilo mby an-doha hoy ny ntaolo razantsika !

[Répondre]

profane dit :

j’ai pourtant commenté ce truc….fa in ndray ary no tsy nety tao?

[Répondre]

MALAGASY SAMBATRA dit :

Misaotra anao nanao io teny feno fahendrena io, hosambatra ny vahoaka malagasy raha manana fahatsampan-tena ireo rehetra voalaza, kanefa tsarovy fa samy mijinja izay nafafiny rehetra.

[Répondre]

mdrmheritier dit :

Ady amin’ny kolikoly zany no tena hamafisina raha azoko tsara ity lahatsoratra ity. Kolikoly sy ny fitiavam-bola no fototr’izao krizy izao.

[Répondre]

louj dit :

Efa olona tompon Andraikitra @ fahasimbany sy fivarotana ny firenena koa mbola ray amandreny e! filoha hajaina e!
Mahagaga …izany ilay fahendrena malagasy moa??? ohatra ny miantso ny mpamono anao hoe avy aho vonjeo!!!Asaivo asehony anareo vahoakany ny fahendreny fa izahay tsy nifidy tsy mahita n inona na inona hangatahana aminy afatsy ny hoe avelao ny vahoaka ny hifidy izay mety aminy…

[Répondre]

rama dit :

Ny tena manahirana @ izy ity anie dia mampita hafatra @ olona : jamba , marenina , jiolahy , tsy misy saina , mpangalatra , mpamono olona , mpivarotra tanindrazana koa ny kapao kapao fa manimba ny tany no tsara aminy

[Répondre]

takecare dit :

un torapo de plus

[Répondre]

Ranarivelo dit :

Mpitondra fivavahana mpanao « tora-po tsy arahin’asa » zany manoratra zany, matory ampitoera enao raha nahavaky azy laha-tsoratra zany hatramin’ny farany.

[Répondre]

Rosia Adeline a répondu :

ho anao ry Ranarivelo, io le fositra tsy mampandroso ny firenentsika, io toe-tsainao feno tsikera tsy mahita ny soa atao’ny hafa. Na mpitondra fivavahana, na tsy mpitondra fivavahana ny nanoratra an’io lahatsoratra io dia mba aza manao fijery mitanila. Fa teny feno fahendrena no natolony, efa asa io nataony io, ary tsy mampatory araky ny lazainao fa manaitra ny Konsiansy. Ary ianao, mba lazao ahy moa ny lahatsoratra feno fahasahiana nataonao, na ny asa efa nataonao tany antsimo @ zao asan-dahalo izao? Sao ary voakasikity asa lahatsoratra ity ianao ka maheno marary. Diniho tsara ilay lahatsoratra fa aza faly ny haneso ny soa vitan’ny hafa. Asehoy anay koa ny lahatsoratra vitanao, na ny asa mivantana efa nataonao, sy ataonao ary mbola hataonao, fa tsy zay mahavita koa no hosora-potaka

[Répondre]

Claude a répondu :

@Rosia Adeline, misaotra anao vehivavy sahy maneho hevitra, ary hita fa mamana esprit d’analyse. Ary tsapa anie fa mihamarina hatrany ity article ity, mbola fifamonoana ihany no misy hatramin’izao.

[Répondre]

isambilo dit :

isika rehetra koa de tompon’andraikitra!samy tsisy taitra na de efa hivarina any an-kady lalina aza ny firenentsika,sa mbola hanao fetin’ny IV e repub aloha,de mbola hanokana zava-bita koa???fa ny fiafaran’izao zava-misy iainana izao hodian-tsy hita???

[Répondre]

SITRAKA a répondu :

@isambilo, marina aloha zany, samy tompon’andraikitra isika rehetra, fa misy ny mivantana, misy ny ankolaka. Mivantana kokoa ireo mpiondra Fanjakana amin’izao, ankolaka kosa isika vahoaka. Ankolaka raha ny fampiharana ny fahefana no tiako lazaina, fa mivantana raha resaka fifidianana. Ka andao ho tsaraina amin’ny fifidianana ho avy eo, fa iza marina no ho mpitondra mendrika antsika vahoaka?

[Répondre]

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Votre commentaire n'apparait pas ? Lisez ceci