Fampitam – Baovao
Filoha Rajoelina Andry Nirina tao Antsirabe : Fiahiana famindram-pahefana sy fitokanana trano fianarana haiady tao amin’ny Sekoly Miaramila momba ny iofanana Manamboninahitra.
Ary Nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’Antsirabe sy nanolotra Fiarabe mpitaona fako ho an’ny Kaomina Ambonivohitra.
Tonga niahy sy niatrika ary nanome voninahitra ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny Sekoly Miaramila momba ny fiofanana Manamboninahitra ao Antsirabe, androany 16 oktobra 2012, ny Filohan’ny Tetezamita sady Filoha Faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry Nirina. Tao amin’ny Akademia Miaramila no natao izany lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier lehiben’ny Sekoly teo aloha sy ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard hisahana izany andraikitra izany. Nitarika izany lanonana izany ny Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Ndriarijaona Jean André.
Nandritra izany lanona ara-Miaramila izany no nilazan’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy fa : “ny Didim-panjakana laharana faha : 2012-789, tamin’ny 22 aogositra 2012, tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notarihin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina no nanendrena ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard ho Lehiben’ny fibaikoina ity Sekoly Miaramila ity”. Taorian’ny famindram-pahefana ara-Miaramila dia Matso lehibe no namaranana izany.
Raha nandray fitenenana ny Lehibe vaovao ny Sekoly Miaramila dia nanambara fa :”isaorana manokana ny Filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry Nirina nanome fitokisana ny tenako tamin’ny nanankinana amiko ny fibaikoina ity Sekoly Miaramila ity”. “Raisiko voninahitra sy adidy ny hisolo toerana anao.
Namatana zava-bita tsara aho tamin’ny fananganana fotodrafitrasa vitanao sy ny fanatsarana ny fiofanana ara-Miaramila”, hoy kosa izy raha nankasitraka ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier. “Ao anatin’ny tsingerin-taona fah-45 taonany amin’izao fotoana izao ny Sekoly Miaramila eto Antsirabe. Rariny raha hifantoka amin’ny raharaha Miaramila ny fanofanana sy ny fanazarantena. Ny tanjona dia ny hanofana manamboninahitra manana ny fahaiza-manao tsaratsara kokoa, afaka miatrika sy misedra ireo mety hanohitohinana ny fiandrianam-pirenena”. Ny Jeneraly Rasolofinirina Béni Xavier kosa votendry Lefitra faharoa ny Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika Malagasy.
Raha nandray fitenenana kosa ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien dia nilaza fa : “naneho ny fahavononany hatrany nanatsara ny Sekoly ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier nandritra izay telo taona nitondrany izay. Indrindra teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy ny fanofanana ary ny fampidirana ny vehivavy ho fanajana ny Miralenta. Izaho kosa mitso-drano an’ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard amin’ity andraikitra vaovao sahininy ity”.
Rehefa nandray fitenenana ny Filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry Nirina dia : “nisaotra ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier noho ny zava-bitany ary nitso-drano an’ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard hahaleo hahalasa amin’ity andraikitra vaovao sahaniny ity. Feno 45 taona ankehitriny ny Sekoly Miaramila eto Antsirabe ka miarahaba ny mpianatra sy ny mpitantana.Manana ny lazany manokana ary nandray andraikitra hatrany ary nampiseho fitiavan-Tanindrazana ny Sekoly Miaramila rehefa tojo fahasahiranana ny Firenena. Fantatrareo tsara ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izao, indrindra eo amin’ny lafin’ny stratejikia momba asa fanakorontanana ataon’ny olon-dratsy. Ohatra amin’izany ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana any amin’ny tapany avaratry ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Toy izany koa ny fampihorohoroana sy ny asan-dahalo. Miantso ny Foloalindahy mba hifantina tsara ireo olona raisina hianatra amin’itony toerana itony mba ho sangany afaka hiatrika izany……….”
Taorian’izay lanonana ara-Miaramila rehetra izay dia nisy ny fitokanana ny efi-trano lehibe (Dojo, Salle de musculation) fianarana haiady sy fitaizam-batana izay nampanantenain’ny Filohan’ny Tetezamita fa havaozina tanteraka ary hasiana fitaovana manara-penitra tamin’ny fandalovany tao amin’ny Sekoly Miaramila Antsirabe ny taona 2011. Tanteraka ny talata 16 oktobra 2012 izany ary narahana fanehoana fahaiza-manao teo amin’ireo mpiofana manamboninahitra, amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo izany. Nisy ihany koa ny fampanantenan’ny Filohan’ny Tetezamita ny hanangana Fiangonana (Chapelle militaire) ho an’ny Sekoly Miaramila. Tsy ho ela dia hanomboka ny fananganana izany. Ny Filoha Sekoly Miaramila ao Antsirabe.
Fanolorana fiarabe mpitaona fako
Ny tolakandron’ny talata 16 oktobra 2012 indray dia nitafa mivantana tamin’ny vahoakan’ Antsirabe teny Ivory, toerana misy ny foibe teknika misahana ny fanadiovana ny tanàna (Voirie) eo anivon’ny Kaomina Antsirabe Ambonivohitra. Nandritra izany no nanolorany ny fiarabe mpitaona fako ho an’ny Fiadidiana ny tanànan’Antsirabe. Vahoaka marobe no tonga nanotrona ny Filoha Rajoleina Andry Nirina sy ireo mpiara-dia aminy nandritra izany na dia tsy nisy fampahafantarana mialoha aza izany. Tomefy olona ny arabe, manoloana ny Voirie, mihazo ny lalan’i Betafo nandritra izany fotoana izany.
Raha nandray fitenenana ny filohan’ny delegasion’ny Kaomina Antsirabe, Razafindrainony Lala Béryl fa :”mandray 7 volana amin’izao fotoana izao no nitantanany ny Kaomina. Natao ezaka sy fanamby ny fanadiovana ny tanàna. Tratra 80 isan-jato izany ankehitriny. Niarahana nisalahy tamin’ireo mpiasan’ny Kaomina miisa 550 izany. Misy Fokontany 360 ao anatin’ny velarantany 170 km² ny Kaomina Antsirabe. Mahatratra 180 km ny halavan’ny lalana ao anatin’ny Kaomina. Ny 20 isan-jaton’izany ihany no azo handehanana mandavan-taona. Noho izany mangataka fanomezan-tanana amin’ny Fitondrana foibe izahay”. Isan’ny fangatahan’ny Lehiben’ny Faritra, Vakinankaratra, Razanakolona Paul ny : “hananganana Oniversité ao Antsirabe ary efa nisy ny fijerena ifotony ilay mijoro ao Ambohitsilaozana – Ambatondrazaka ny fombafomba ahafahana manangana izany. Nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika ka nangatahany fanampiana tamin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina”.
“Na dia tsy nisy aza ny antso natao tamin’ny :allô allô dia tonga maro ianareo”, hoy ny Filoha Rajoelina Andry Nirina, raha nandray fitenenana manoloana ireo vahoaka marobe tonga teny Ivory – Antsirabe izy. “Tonga eto aho amin’ny maha-mpinamana. Rehefa misy ny manahirana dia eo foana ny namana. Tonga eto aho hamaha ny olana. Hilazako tsiambaratelo ianareo : izaho dia teraka teto Antsirabe. Ianareo ireo dia zanaka, zandry, anabaviko ary rahalahiko noho izany. Andao isika hiara-hiasa hampandroso sy hanao an’Antsirabe ho fankatahaka. Hajoro eto Antsirabe ny Oniversité. Tonga eto aho hanolotra fiarabe mpitaona fako iray ho anareo”, hoy ihany izy nanohy ny teniny. Nisy avy eo ny fampanantenana nomeny ny vahoakan’Antsirabe ny hanamboarana ireo daba-pako miisa 50 ao an-tanàna ho fanomezan-tanàna amin’ny fanadiovana. Nampanantena ny hanome “Camion benne” iray hafa ihany koa izy. Hatsangana ao Antsirabe, eo anivon’ny Kaomina Ambonivohitra, ny Sampan-draharahan’ny Vonjy Voina na ny “Pompier” ka hanome fiarabe ho amin’izany ny Filoha Rajoelina Andry Nirina. Amboarina koa ireo lalana feno lavadavaka ao Antsirabe. Raha ny hetahetan’ny Filohan’ny Tetezamita dia orinasa any an-toerana ihany no hanatontosa izany asa fanamboarana izany. Teo am-pamaranana ny kabariny ny Filoha Rajoelina Andry Nirina dia nilaza fa : “hitsidika matetika an’Antsirabe ary tsy ho ela izy dia hijery ny toerana sy ny drafitr’izany Oniversite ary hametraka ny vato fehizoro izany miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Prezidansa”.
Niara-dia tamin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina tamin’izao fiahiana famindram-pahefana tao amin’ny Sekoly Miaramila sy ny fanomezana fiarabe ny Kaomina Antsirabe Ambonivohitra izao ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Jeneraly Razafindrazaka Arsène, ny Minisitry ny Serasera Rahajason Harry Laurent ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Randrianazary. Nanotrona azy ireo tamin’izany ireo manamboninahitra sivily sy Miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy, ny Polisim-pirenena ary ireo tomponan’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ao Antsirabe.
Antananarivo faha, 16 oktobra 2012
Ny Mpiandraikitra ny Serasera
eo anivon’ny Fiadidiana
ny Filohan’ny Tetezamita








Hatao inona ato am ty Site ty zany vao2-poza zany e? Ianreo ngah ts nahita par accident tam TVM ny sary truqué tao?. Zara rah nahazo olona ny mpanongam-pajakana fa dia niezaka mafy ny mpaka sary nampiseho hoe nisy olona betsaka tam le bain de foule. Alefaso ny fifidianana misy an’ny Presià Ravalomanana Marc sy Boaikely Mpanongam-panjakana sns dia hohita eo e! sa ahoana hoy ianareo?
[Répondre]
admin a répondu :
octobre 17th, 2012 à 08:54
@RATSIMBASON Mahery, « si tu veux combattre ton ennemi et le vaincre, apprend à le connaitre d’abord »
[Répondre]
sotoavo a répondu :
octobre 17th, 2012 à 11:47
@RATSIMBASON Mahery, Izaho koa gaga, fa betsaka loatra ny vao2 foza niseho teto TNN. Eny, marina ny hoe raha tianao fantatra ny fahavalonao dia fantaro ny ataony sy ny momba azy. Saingy be loatra ny vao2-poza ka mahalasa eritreritra e!
[Répondre]
Ok,je partage votre avis, mais ça fait déjà 4 ans qu’on est dirigé par ce bande de voyous et ses acolytes et on connaît bien leur façon de travailler et leur principal objectif : élimination politique voire physique du Président Ravalomanana. Je pense que le vrai patriote malgache doive passer à l’action dès maintenant pour ne pas faire sombrer notre pays davantage. Ne pas diffuser sur ce site des informations comme celle-ci en est une.
[Répondre]
admin a répondu :
octobre 17th, 2012 à 09:18
@RATSIMBASON Mahery, notre site n’est pas à vocation « patriotique » ou « légaliste » ou je ne sais quoi d’autre.
Nous sommes là pour informer et nous informons, sans discrimination.
[Répondre]
rakotoson a répondu :
octobre 17th, 2012 à 21:55
@admin,
C’ est vrai ce qu’ on a écrit plus haut. Ca n’ est pas la joie , il n’ y avait pas la foule des grands jours. Je suis passé par là en allant ,samedi, vers midi, à Antsirabe. C’ est en voyant des 4X4 avec des girophares , des tas de gendarmes dans la rue et dans l’ enceinte de l’ eglise que j’ ai deviné que le FAT était là .
Dans la soirée , j’ ai zappé sur Viva et TVM . Dès que j’ ai entendu le discours de OMAR , je suis allé vers une autre station . Je retourne croyant avoir fini avec Omar et c’ est TGV que j’ entends promettre la lune à une poignée de spectateurs et surtout d’ élèves . Ces derniers ont – ils seulement le choix de ne pas être là ?
Tout le monde a rigolé , à la maison , en voyant Odon Razanakolona – le Omar en question si vous n’ êtes pas à la page – bénir la foule en titubant de sa démarche de diabétique …. Encore un qui doit bien aimer la bonne chaire . Des morceaux de tongo – kisoa , à table , cela ne se refuse pas et ce n’ est pas du tout un pêcher d’ en manger .
Il y a plus grave. Ce que Omar avait fait à l’ Ekar , à Antanimena , à l’ endroit du Pasteur Rasendrahasina, le 17 mars 2009 , nombre de Malgaches ne sont pas prêts d’ oublier . Ne nous voilons pas la face . C’ est à cause de ces événements que le FFKM ne retrouve plus , depuis , son identité de vue d’autrefois.
[Répondre]
No comment merci
[Répondre]
Ataovy sahala @ manonofy raha hahazo ny fon’ny Bira zany !!!
Vakinakaratra iray manontolo no nahazo tombotsoa mivantana na ankolaka t@ TIKO ( izay nopotehina ankolaka).
[Répondre]
Ny mpianatra dia navoaka omaly tany Antsirabe hanofanofa ny filoha voafidim-bahoaka sy nanatsara ny fiainam-*bahoaka, vary, fahasalamanana sns, tena v ny gasy ve?
[Répondre]
Dylan a répondu :
octobre 17th, 2012 à 12:17
Dia ohatry ny mbola tsy mahatsapa foana isika hoe tena v, isika ary efa taritin’ ny TGV (Tariky ny Gasy Vendrana).
Dia Gaga enao hoe tena izany marina v?
[Répondre]
Ka misy mifankaiza amin’ny pompe nataon’i Deba teny Ivato moa ilay mi-geste manao musculation e? Tsy nihira contre » Non je ne regrette rien » fotsiny satria efa DJ….
[Répondre]
Il faudrait au moins des décennies pour faire effacer de la mémoire des gens de cette région le nom de Ramose ainsi que ses réalisations! Tiko n’ est pas né des dernières pluies, ça a existé bien avant 2002 et ce n’est pas par une ridicule et stupide séance de musculation d une minute qui puisse changer la réalité!
[Répondre]
FIONDRANANA a répondu :
octobre 17th, 2012 à 15:11
@The Man, Lapin, touche pas à ma région natale!
Ouste allez te faire foutre dans ton pays de lit de mort en France!
[Répondre]
@admin, ou bien, « si tu veux combattre ton ennemi, rapportes tout ce qu’il propage pour te demoraliser »
Quelle stratégie !
[Répondre]
profane a répondu :
octobre 17th, 2012 à 14:30
@mbato,
Mais non, il faut savoir comment se comporte l’ennemi pour le combattre, ce qui est à différencier de « se fier à ce que dit l’ennemi » pour fonder ton jugement sur ce qui se passe réèllement. Il ne sert à rien de vivre en faisant l’autruche…..de cette façon, on n’est pas à l’abri du danger, on est tout simplement dans l’ignorance de celle-ci!
si l’ennemi arrive par ses dires à te démoraliser c’est qu’il a déjà gagné la guerre, tu ne crois pas? pourquoi lui accorder autant de pouvoir?…….du moins c’est comme ça que je vois les choses…… !
[Répondre]
Puré; Le milico-militaires haut gradés derrières le putchiste de 36 ans (non élu, durant la phase de transition )
Tena vendrana ny SADC raha mnadalo fotsiny mijery izao ataon’io putchiste io zao
Pdt transition tamin’ny siganture accord anie le io e
Inona ity ataony anefa …
chef supreme de l’armée loll
propagande pour quel mandat !!!
[Répondre]
Dia tena vendrana koa ny gasy raha mbolamety ho tambazana hirahira sy fampanantenana pokaty
nandresy ny tolona
vary mora
menaka mora
trano mora
Nivoaka an’ny transition aza tsy vitany nefa efa ho 4 taona , efa mandat iray
Nefa Izy rehetra sy ny manodidina azy indrindra ireto milisy vokisam-potsiny ireto
tena niova dia niova tokoa ny farim-piaianany
Mba misy olona sahy afaka hanao investigation amin’ny harenan’ireo olona manakaiky azy ireo tokoa ve!
ka hanao hoe avant/après putsh
[Répondre]
profane a répondu :
octobre 17th, 2012 à 14:50
@gourou,
Ie, bdb ny gasy ohatr’izany a………ireo tsy afaka mandefa saina mihoatry ny anio…….dia mihevitra izy oe, ity alou efa atolotra fa ze ra8 mbola tavela any ivelany any ve, sad amin’izay iza no mahalala izay hataony eo rehefa tonga eo izy, tsy hanao toy ny fanaon’ny mpitondra rehetra teo ihany ve……ity au moins mba misy miditra ato am-bavako izao dia ny izao !
[Répondre]
« Miantso ny Foloalindahy mba hifantina tsara ireo olona raisina hianatra amin’itony toerana itony mba ho sangany afaka hiatrika izany……….”
De la bouche d’un putschiste :
que doit-on comprendre ?
Car s’il y a une personne dans ce pays qui ne peut parler de refondation de l’armée, d’une nouvelle doctrine militaire, c’est bien le pt : à qui profite la bouse ?
Comme disent les huns, on ne change pas une équipe qui « gagne ».
Et il y a une équipe qui a « perdu » dans l’armée.
Pour une banalisation ou vulgarisation du label « mora » donc :
Académie mora militaire ?
[Répondre]
Olona ratsy taizan’ny rainy izay miaramila ve no mba miteny izany? Diniho tsara izany fa porofo miteny ho azy izany fa avy ami’ny vavany ihany no miteny kibokiboin’ny marina . Ny miaramila tsy alehany izany izay niteraka azy dia tsy nety ny fifantenana azy taloha, matoa olona toa an’i radjoel no naterany!! Tarana-boanjo fotom-boanemba!
[Répondre]
mbola misy ilaina manamboninahitra ve @ zao?
[Répondre]
Aleo alou ty boy kely ty ampitaigenana biskleta tsisy pne, de mba faly satria ity iany no ahazoana vola be !
[Répondre]
I leiry kosa aloha mila mikofoka fa kely loatra ny sandriny.Raha ileiry no manao ufc @ ravalomanana dia 2 secondes dia vita.Ny tsara @ dia iny nifiny lava be no tsara tsofaina kely fa lava loatra satria na i mialy aza dia miafy fotsiny rehefa mitsaoda izy mitsam, tena marina ange izany fa tsy vazavazy é
[Répondre]
Sincèrement, ca me fait ni chaud ni froid si TNN diffuse les communiqués goebbelsiens d’Ambohitsirohitra. Je ne lis pas, je n’y perd pas mon temps, c’est tout. Il faut bien éviter de donner du grain à moudre aux anti-scribes tels que Jeannot! Et ça donne 2x + de crédibilité pour analyser les choses objectivement a posteriori..
[Répondre]