CT Willy : tereny hiditra Tgv ny vahoaka ao Fénérive-Est


Rahonan’i  CT Ramananirina Yan Wilfried dit Willy hiditra ho mpikambana Tgv daholo ireo olona nomena tokotany  ao amin’ny “opération café” Itendro Fénérive-Est. Raha ny vaovao voaray, nidina teny an-toerana mihitsy ity CT ity izay sady  mpandrindram-paritry ny Tgv any amin’ny Faritra Analanjirofo ,  niteny tamin’ireo vahoaka monina amin’io toerana io hoe “esorinay hiala amin’ity toerana ity ianareo rehetra raha tsy miditra mpikambana anatin’ny antoko Tgv”. Tsy nahafaly ny olona io fihetsika io ary mampitaraina ireo fokonolona nomena anjara tany ao amin’io faritra io.

Tsy vao izao io fihetsika io

Efa nisy fotoana nanaovany fandrahonana fampikatonana sekoly tsy miankina iray. Eo koa ireo fanamparam-pahefana isan-tokony.

Tsy tara amin’ny vaovao mivoaka eto amin’ny tananews ny ao Fénérive-Est

Na dia somary mbola lafo sy ilaharana aza ny saran’ny “connexion Internet” ao Fénérive-Est  izay 50 Ar ka hatramin’ny 100 Ar ny iray minitra. Tsy tara ary liana amin’ny vaovao mivoaka rehetra eto amin’ny tananews ny mponina any an-toerana. Ankoatran’ny fijerena Internet izay azo ambara fa efa manomboka mahazo vahana any amin’ity distrika ity, efa misy koa mpanao “photocopie” mijery ny vaovao eto amin’ny tananews ary manao “photocopie” vaovao tananews  amin’ny vidiny “photocopie” mahazatra any Fénérive-Est 100 Ar ( 500 Fmg).

Ankoatr’ireo , misy mpanao photocopie ihany koa mivarotra ny vaovao mivoaka ao amin’ireo site Internet/blog  GTT.

Photocopie izay lasa sehatra iray lehibe any amin’ity distrika ity ahafahan’ny mponina manaraka  akaiky ny vaovao eto amin’ny Internet.

Nangonin’i NIM( Toamasina)

nim.tama@gmail.com

D'accord, pas d'accord ? Réagissez - 4 réactions

admin dit :

Tiens, dans notre scénario Rajoelina-Ranjeva, ça se passait plutot du coté de Fianarantsoa.

En fait ça se passe dans tout Madagascar quoi.

« Des élections crédibles », lol be !

[Répondre]

jeune dit :

sy mbola nahita fanjakan’alika ohatran’ny an’ity andry rajoelina ity aho , marina e! hita t@ ity daholo ny habibina sy ny asan-devoly rehetra!

[Répondre]

marijo dit :

Fanjakan-dRadomelina = Fanjakana mpamosavy ka ny ao an-trano ihany no haripany,miheritrereta ry vahoaka Malagasy

[Répondre]

Radify dit :

Raha mbola tsy foana ny FIS CMDN, dia mbola hovizaka eto isika.
Tsy misy Fifidianana eo raha tsy ireo no foanana, io no hery manohana an-dRajoelina, mila manao inventaire d’armes hatrehin’ny U.N dia hatao ny analyse des écarts t@ stock 2008.

Hita eo aloah raha tsy efa nisy nandoro ny doc dia hihanjaka eo Rajoelina.

Ruwanda nanao t@ zay dia nodorana avokoa ny basy t@ ireo milices armées rehetra za yva onisy fifidianana.

Takion-dRavalomanana io, tokony natao anaty Feuille de Route zay e;

[Répondre]

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Votre commentaire n'apparait pas ? Lisez ceci