Ny zoma lasa teo, nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny biraony eny Ampasimazava ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina, Mandraina Félix, niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpiasan’ny fadintseranana nahitana an’izy telo mirahalahy : Razafinantoanina Mamitiana, Thomas Zarasaonina ary Randrianjafimaniraka Jean Fidel. Fihaonana izay nanazavan-dry zareo mikasika ilay raharaha kaontenera tsy misy entana sy feno karaobato volana vitsy lasa. Nanoloana iny tranga iny , nitory an’ny MICTSL ry zareo avy tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra ary ireo mpiasan’ny fadintseranana ireo no anisany vavolombelona miaro ny Antenimieran’ny Varotra. Efa naharitra 2 volana ny fanadihadiana nataon’ireo mpanao famotorana mikasika ity raharaha mampifanolana ny MICTSL sy ny Antenimeran’ny Varotra eto Toamasina ity. Raha ny fazavan’ny Filohan’ny antenimeran’ ny Varotra eto Toamasina, maherin’ny 20 ireo kaonterana voarain-dry zareo avy tany MICTSL nefa tsy misy entana intsony tao anatiny ary ny sasany indray dia feno bolongam-bato tsy misy vidiny. Ampangain’ny Anteniemaran’ny Varotra fa « tsy manaja ny lalànan’ny fadintseranana ny MICTSL satria na ny saran’ny fitehirizana entana aza dia alainy. Tsy misy mpitandro filaminana na mpiasan’ny fadintseranana eken’ny MICTSL miditra any amin’ny toerana fitehirizany entana ». Fatiantoka ho an’ny Antenimieran’ny Varotra io tsy fanajana lalàna ataon’ny MICTSL io ary tafian-toka ho an’ny Fanjakana amin’ny ankapobeny satria ireo vola azon’ny Antenimieran’ny Varotra dia entina ampandrosoana ireo orinasa eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana nentin’i Mandraina Félix, izay mbola notohizany : « tao anatin’izay 7 taona nidiran’ny MICTSL tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina izay, misedra olana tanteraka ny Antenimieran’ny Varotra ary nampitsipozipozy satria anjatony Ariary maro ny fatian-toka hatramin’ny taona 2005 ».
Vavolombelona ireo mpiasan’ny fadintseranana
“Fanjakana anatin’ny fanjakana ny MICTSL satria na ny faritra fitehirizan-dry azareo kaontenera dia tsy azo idiranay”, hoy ny mpiasan’ny fadintseranana, Randrianjafimaniraka Jean Fidel. Miaro entana izahay fa tsy miara-olona. Ireto mpiasan’ny ladoany ireto izay miantso ny fahendren’ny Fitsarana mba hamoaka ny tena marina amin’ity raharaha ity. Natsinkafonan’ireo mpiasan’ny ladoany ihany koa fa olona maherin’ny 20 no voaroiroy amin’ity raharaha ity ary misy olona tsara toerana ao amin’ny MICTSL sy SPAT. “Tsy mibaiko ny fitsarana izahay fa kosa miantso sy miangavy mba tsy hanaiky tsindry avy any ambadimbadika any satria misy olona ambony mitady hiaro ireo olona voroiroy sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny MICTL voaroiroy amin’ity raharaha ity ”. Miditra any amin’ny olom-bitsy ny vola tokony arotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakana, fatiantoka ho an’ny vahoaka Malagasy ny zava-misy ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina noho ny ataon’ny MICTSL ka miantso ny vahoaka mba ho tonga eny amin’ny lapan’ny Fitsarana ny alatsinainy 9 jolay mba hiombom-po amin’ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina , hoy izy ireo namarana ny tafa tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo.
http://ti1ca.com/7fqlhtk8-contener-nisy-nanapoaka-contener-nisy-nanapoaka.JPG.html
http://ti1ca.com/edism532-Port-Toamasina-Port-Toamasina.JPG.html
Nanangona ny vaovao sy naka ny sary : NIM( Toamasina)

D'accord, pas d'accord ? Réagissez - Soyez le premier à réagir