Le GFFM réaffirme : pasteur Mailhol sera Président en 2013


Andriamparany Rakotovao, président national du parti politique GFFM ( Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara), a tenu une conférence de presse hier  après-midi à Toamasina. Il a réaffirmé  haut et fort que le pasteur Mailhol de l’Eglise Apokalipsy sera président de la République de Madagascar en 2013 par voie électorale ou par explosion sociale.

Serait-il président ? Seul l’avenir nous le dira !

Recueillis par NIM

nim.tama@gmail.com

 

 

D'accord, pas d'accord ? Réagissez - 23 réactions

Rakandria dit :

Dia efa mitapy loatra leiry io….

[Répondre]

Al capone dit :

samy manana ny strategie na communication ny mpitady seza isan-karazany

[Répondre]

andre radriamiandrisoa a répondu :

@Al capone, andriamanitra koa manana ny strategiany

[Répondre]

Boy dit :

f’anga tsy hoe lasa filoha ho azy fa tsy mila fidina zany hoy ny faminanina

[Répondre]

apoaka_lipsy dit :

Fa ahoana moa no misy option le izy: par voie électorale ou par explosion sociale?? Fangah le faminaniana maniry zavatra ratsy no hiteny hoe par EXPLOSION SOCIALE? Manantena ny ho lasa Premier ministre lehio de miteniteny fahatany. Aza antenanina mintsy zany hahafiloha mpirenena izany raha izao fika motraka ataonareo izao ihany no dradradradraina eran’ny vazantany. Nareo ihany no manao ny club satanik de nareo ihany no milaza fa mahay manafaka ny olona @ fanagejan’i Satana.

[Répondre]

Micka a répondu :

@apoaka_lipsy,
ka rehefa lasa apokalipsy dôly ny gasy 20 tapitrisa @ 2013 dia poinsa io vision mailhol io.

[Répondre]

andre radriamiandrisoa a répondu :

@apoaka_lipsy, ng mbola tsy enonao le we ho rava ny firenena ze miady atrano,ka ra izahay ihany no manao izany maninona izahay mbola mijoro atramin’izao

[Répondre]

apoaka_lipsy dit :

Tokony hoe MAILHOL Fandresena ny fahantrana eto Madagasikara ny anarnareo MFFM, na M2FM,….

[Répondre]

Verohanitra dit :

Pourquoi vendre la peau de l’ours avant de l’avoir tué. Si les prophéties se réalisent, la fin du monde serait pour le 21 Décembre 2012, seriez-vous encore là vous ?

[Répondre]

bena dit :

… est-ce pour annoncer cela que les chiens de mon quartier ont hurlé toute la nuit : maiiiiilhouuuuuuuuuuuuuuuuuuuul… merci les saints toutous!

[Répondre]

ravoalavo dit :

Miady am fahantrana ve raKIKI ? ah dia niova fo marina tokoany angaha.
Dia efa lasa manampy ny mahantra zany izy zao? reo havany akaiky mila fanampiana hatraminizay? eh ben

[Répondre]

BEMASO dit :

ialahy aloha ry mailhol d ho afabaraka aminy io taona 2013 io a!!!!
mamingavinaga ny anaran’Andriùmanitra loatra ilahy ry ilay pasteur sandoka ity a!

[Répondre]

RASOLOFOSON a répondu :

@BEMOKONY
Aza atao be ny vava fa rehefa mandray ny valinkafatra enao dia tsarovy io teninao io fa samy gasy ok?

[Répondre]

Claude dit :

Impossible ! la fin du Monde est prévue pour le 21 décembre 2012 !

[Répondre]

christellephilipini dit :

# il sera Président en 2013

certainement dans ses rêves …

[Répondre]

fenomanana dit :

Mazav ho azy, GFFM io no partie politikaní Mailhol raha tsy fantatrare efa miomana mafy ilay mailhol club satanique dia foronina ny rehetra mba ahazahoana 0,1% amin´ny election.

[Répondre]

andre radriamiandrisoa a répondu :

@fenomanana, fanetretena ne no atony anaovana n election ka na misy io na tsy misy dia efa izy no au pouvoir,sa aona ozy enao

[Répondre]

Sarik dit :

Ho itantsika eo zany e, ref lasa président iz de hangina ny vavanareo,sa ahoan?

[Répondre]

rtm a répondu :

@Sarik, Tsy ny fahatanterahana na tsia ny zavatra resahana no maha mpaminany sandoka na tsia ny olona iray fa ny fanambarany fa avy @ Andriamanitra ny zavatra ataony nefa hita tsotra izao fa tsy izy. Noho izany: na tanteraka io nolazain’i Pastera io na tsia dia sandoka izy. Ny devoly anie maninany koa e! (Oracle, Mpimasy gasy na vazaha, mpahita, sns…) mamakia baiboly fa misy olona milaza mahay zavatra ao nefa tsy avy amin’Andriamanitra akory. Aoka handinika tsara ny baiboly vao manaiky fanambarana zany.Mahavoa anareo mora mivadika io manko de vao tenenina zavatra iray miampy fahagagana (vakio matio 24 manontolo) dia roboka daholo. Zahao toetra aloha ny fanahy na izy na tsy izy. Jesosy izay IVAVAHANAREO io anie lazainareo fa olona fotsiny ihany e! nefa dia mivavaka aminy ianareo!! aiza ho aiza ny hoe Izaho ihany no ivavahanareo??? Mieritrereta lalina fa voafitaka

[Répondre]

andre radriamiandrisoa a répondu :

@rtm, tena vo mafy mihitsy lo izahay tony e,n tena fiangonanandrandriamanitra ane ts maints mis mpaminany foana e,ts mino n apokalipsy an’i jaona koa zany enao…

[Répondre]

mpino dit :

sarik ….)))) maninn jesosy ?? aza miteniteny fona ,, fa enao no iza no manafoka an’i jesosy toy izao ???? eny eee mbola ahazo famindrampo enao alou !!! fa zay miteny ratsy ny fanahy masina iany no tsy ahazo

[Répondre]

Faminaniana dit :

“Mpampiharihary Zava-miafina” i Jehovah
“Tena Andriamanitry ny andriamanitra tokoa ny Andriamanitrareo, sady Tompon’ireo mpanjaka ary Mpampiharihary zava-miafina.”—DAN. 2:47.

NY TARANAK’ILAY MENARANA
LOHA ROA VOALOHANY: EJIPTA SY ASYRIA
LOHA FAHATELO: BABYLONA
LOHA FAHEFATRA: FANJAKANA MEDIANINA SY PERSIANINA
LOHA FAHADIMY: GRESY
LOHA FAHENINA: I ROMA FANJAKANA “NAMPAHATAHOTRA”

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?
Inona no nampahafantarin’i Jehovah antsika momba ny hoavy?
Iza avy ireo loha enina voalohany amin’ilay bibidia?
Tanisao hoe inona amin’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara no mifanitsy amin’ny lohan’ilay bibidia.

IZA no fitondram-panjakana matanjaka indrindra eto an-tany, rehefa handringana ny fitondran’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra? I Jehovah no “Mpampiharihary zava-miafina”, ka fantany ny valin’izany. Nampahafantariny antsika anefa izany tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany sy ny apostoly Jaona.

2 Nomeny fahitana momba ny bibidia samihafa, ohatra, i Daniela sy Jaona. Nohazavainy tamin’i Daniela koa ny dikan’ilay sarivongana ngezabe hitan’i Nebokadnezara tamin’ny nofy. Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly ireo rehetra ireo, mba handraisantsika soa. (Rom. 15:4) Nanao izany izy satria tiany isika ho resy lahatra tanteraka hoe tsy ho ela dia hanorotoro ny fitondran’olombelona rehetra ny Fanjakany.—Dan. 2:44.

3 Miresaka momba ny mpanjaka valo, izany hoe fanjakana valo, i Daniela sy Jaona. Hazavain’izy ireo koa hoe iza no handimby an’iza. Mila mahatakatra an’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly anefa isika, vao hahazo tsara an’ireo faminaniana ireo. Nahoana? Satria misy ifandraisany amin’izy io ny Baiboly manontolo sy ny faminaniana hafa rehetra.

NY TARANAK’ILAY MENARANA
4 Nilaza an’ilay faminaniana voalohany i Jehovah, taoriana kelin’ilay fikomiana tany Edena. Nampanantena izy hoe hisy “vehivavy” hanana ‘taranaka’, ary hotorotoroin’io taranaka io eo amin’ny lohany ilay menarana, dia i Satana.* (Vakio ny Genesisy 3:15.) Nampahafantarin’i Jehovah tatỳ aoriana hoe ho avy amin’iza ilay taranaka: Ho avy amin’ny fianakavian’i Abrahama, ho anisan’ny firenen’Israely, ho avy amin’ny fokon’i Joda, ary ho taranak’i Davida Mpanjaka. (Gen. 22:15-18; 49:10; Sal. 89:3, 4; Lioka 1:30-33) I Kristy Jesosy no lehibe indrindra amin’ilay taranaka. (Gal. 3:16) Anisan’ilay taranaka koa anefa ireo Kristianina voahosotra. (Gal. 3:26-29) I Jesosy sy ireo voahosotra no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary io fanjakana io no hampiasain’Andriamanitra mba hanorotoroana an’i Satana.—Lioka 12:32; Rom. 16:20.

5 Milaza koa ilay faminaniana voalohany fa hanana ‘taranaka’ i Satana, ary ‘handrafy’, izany hoe hankahala ny taranak’ilay vehivavy izy io. Iza no taranak’ilay menarana? Izay rehetra mankahala sy manohitra ny vahoakan’i Jehovah, toy ny ataon’i Satana. Nozarazarain’i Satana ho fanjakana maro ny taranany. (Lioka 4:5, 6) Ny sasantsasany amin’ireny fanjakana ireny ihany anefa no nanohitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe nanohitra ny firenen’Israely fahiny sy nanohitra an’ireo voahosotr’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny hahalalantsika izany, satria manampy antsika hahafantatra hoe nahoana i Daniela sy Jaona no tsy niresaka afa-tsy mpanjaka valo, izany hoe fanjakana lehibe valo.

6 Nomen’i Jesosy fahitana maromaro tena manaitra i Jaona, tamin’ny taona 96 tany ho any. (Apok. 1:1) Nahita dragona teo amoron-dranomasina izy, izay tsy iza fa ny Devoly. Niakatra avy tao an-dranomasina avy eo ny bibidia hafahafa iray nanana loha fito, ary nomen’ny Devoly fahefana lehibe izy io. (Vakio ny Apokalypsy 13:1, 2.) Nahita bibidia mena midorehitra nanana loha fito indray i Jaona, tamin’ny fahitana iray hafa. Sarin’ilay bibidia hafahafa ao amin’nyApokalypsy 13:1 izy io. Nilaza ny anjely iray fa ny loha fiton’ilay bibidia mena midorehitra dia midika hoe “mpanjaka fito”, izany hoe fitondrana fito. (Apok. 13:14, 15; 17:3, 9, 10) Efa “lavo”, izany hoe tsy nanjaka intsony ny dimy tamin’ireo, tamin’ny andron’i Jaona. Mbola teo am-perinasa kosa ny iray, ary ny iray “mbola tsy tonga.” Iza ireo fanjakana fito ireo? Handinika ny tsirairay amin’ny lohan’ilay bibidia isika, mba hahafantarana izany. Handinika tsipiriany momba izany koa isika ao amin’ny bokin’i Daniela, izay nosoratana taonjato maro talohan’ny nisian’ireo fanjakana ireo.

LOHA ROA VOALOHANY: EJIPTA SY ASYRIA
7 I Ejipta no loha voalohany amin’ilay bibidia. Nahoana? Satria i Ejipta no firenena matanjaka voalohany nankahala ny vahoakan’i Jehovah. Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa avy amin’ny taranany ny taranak’ilay vehivavy. Rehefa nihamaro anefa ny firenen’Israely tany Ejipta, dia nampijaly azy ireo ny Ejipsianina. Te hamongotra azy ireo i Satana, alohan’ny hipoiran’ilay taranaka. Ahoana no nataon’i Satana? Nampirisika an’i Farao izy mba hamono ny zazalahikely israelita rehetra. Nosakanan’i Jehovah anefa ny teti-dratsiny, ary nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta izy. (Eks. 1:15-20; 14:13) Nomeny ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tatỳ aoriana.

8 I Asyria no loha faharoa amin’ilay bibidia. Niezaka nandripaka ny vahoakan’i Jehovah koa io fanjakana matanjaka io. Marina fa nampiasa an’i Asyria i Jehovah, mba hanasaziana ny foko folon’ny Israely tany avaratra, noho izy ireo nanompo sampy sy nikomy taminy. Nanafika an’i Jerosalema koa anefa ny Asyrianina. Tian’i Satana hofongorana angamba ilay fianakavian’ny mpanjaka tao Jerosalema, satria avy amin’izy io no hipoiran’i Jesosy. Tsy anisan’ny fikasan’i Jehovah àry io fanafihana io, ka nanao fahagagana izy mba handripahana ny tafika asyrianina sy hamonjena ny vahoakany.—2 Mpanj. 19:32-35; Isaia 10:5, 6, 12-15.

LOHA FAHATELO: BABYLONA
9 I Babylona no loha fahatelo amin’ilay bibidia. Fantatsika fa navelan’i Jehovah izy io handrava an’i Jerosalema sy hitondra ny vahoakany ho babo. Efa nampahafantarin’i Jehovah mialoha an’ireo Israelita izany, noho izy ireo nikomy. (2 Mpanj. 20:16-18) Nilaza koa izy fa tsy hisy mpanjaka olombelona intsony amin’izay fotoana izay, eo amin’ny ‘seza fiandrianany’ ao Jerosalema. (1 Tan. 29:23) Nilaza anefa izy fa mbola hisy taranak’i Davida ho avy, ‘hanan-jo ara-dalàna’ hipetraka amin’ny seza fiandrianany.—Ezek. 21:25-27.

10 Nilaza ny faminaniana iray hafa fa hanompo an’i Jehovah ao amin’ny tempoly ao Jerosalema ny Jiosy rehefa ho tonga ny Mesia, na Voahosotra. (Dan. 9:24-27) Milaza koa ny faminaniana iray nosoratana talohan’ny naha babo ny Israelita, fa ho teraka ao Betlehema ny Mesia. (Mika 5:2) Tsy ho tanteraka ireo faminaniana ireo, raha tsy afaka avy any Babylona ny Jiosy, miverina any amin’ny taniny, ary manorina indray ny tempoly. Tsy manafaka ny babony mihitsy anefa ny Babylonianina! Ahoana àry no hodian’ny Jiosy any an-tanindrazany? Nampahafantarin’i Jehovah an’ireo mpaminany ny valin’izany.—Amosa 3:7.

11 Nolazain’i Jehovah mialoha hoe iza ireo fanjakana hifandimby aorian’i Babylona, ary nampiasa fomba maro samihafa izy hanaovana izany. Nasehony an’i Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona, tamin’ny nofy, ohatra, ny sarivongana ngezabe iray vita tamin’ny metaly samy hafa. (Vakio ny Daniela 2:1, 19, 31-38.) Babo tany Babylona i Daniela tamin’izay, ka nampiasa azy i Jehovah mba hanazava ny hevitr’io nofy io. (Dan. 1:1-6) Nolazainy an’i Daniela fa ilay loha volamena dia ny Fanjakana Babylonianina.* Ny tratra sy sandry volafotsy dia ny fanjakana matanjaka handimby an’i Babylona. Iza io fanjakana io, ary ahoana no fomba nitondrany ny vahoakan’i Jehovah?

LOHA FAHEFATRA: FANJAKANA MEDIANINA SY PERSIANINA
12 Nilaza tsipiriany momba an’ilay fanjakana handresy an’i Babylona i Jehovah, zato taona mahery talohan’ny andron’i Daniela. Nolazainy tamin’i Isaia mpaminany hoe ahoana no haharesy an’i Babylona, ary nolazainy mihitsy aza ny anaran’ilay mpitondra handresy azy io, dia i Kyrosy persianina. (Isaia 44:28–45:2) Nahazo fahitana roa hafa koa i Daniela momba ny Firenena Matanjaka Medianina sy Persianina. Aseho ho toy ny orsa izy io, ao amin’ilay fahitana iray. Niainga ny ila tenany, ary nilazana izy io hoe: “Mihinàna nofo be dia be.” (Dan. 7:5) Toy ny ondrilahy nanana tandroka roa kosa izy io, ao amin’ilay fahitana iray hafa.—Dan. 8:3, 20.

13 Nampiasa ny Fanjakana Medianina sy Persianina i Jehovah mba hanatanteraka faminaniana, izany hoe handresy an’i Babylona sy hamerina ny Israelita any an-tanindrazany. (2 Tan. 36:22, 23) Nitady handripaka ny vahoakan’i Jehovah anefa ny Fanjakana Medianina sy Persianina tatỳ aoriana. Nanao tetika hamongorana ny Jiosy nanerana ny fanjakana persianina i Hamana praiminisitra, ary efa nifidy fotoana mihitsy izy hanatanterahana izany. Soa ihany fa narovan’i Jehovah tamin’ny fanafihan’ny taranak’i Satana ny vahoakany. (Est. 1:1-3; 3:8, 9; 8:3, 9-14) Afaka milaza àry isika hoe i Media sy Persa no loha fahefatra amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy.

LOHA FAHADIMY: GRESY
14 I Gresy no loha fahadimy amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy. Mifanitsy amin’ilay kibo sy fe varahin’ilay sarivongana io fanjakana io, araka ny nohazavain’i Daniela. Nahita fahitana roa hafa koa i Daniela, ary nomena tao ny tsipiriany momba an’io fanjakana io sy ny mpanjaka iray niavaka indrindra tao aminy.

15 Nahita leopara nanana elatra efatra izy, tao amin’ilay fahitana iray. I Gresy io leopara io, ary asehon’ireo elatra efatra fa handresy haingana be izy io. (Dan. 7:6) Nahita osilahy nanana tandroka lehibe kosa izy tao amin’ilay fahitana iray hafa. Namono ondrilahy nanana tandroka roa izy io, ary vetivety no namonoany azy. Nolazain’i Jehovah tamin’i Daniela fa i Gresy ilay osilahy, ary ilay tandroka lehibe dia ny mpanjakany. I Media sy Persa kosa ilay ondrilahy. Nilaza koa i Daniela fa ho tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ary hisy tandroka kely efatra hisolo azy. Nosoratana roanjato taona talohan’ny nahalasa firenena matanjaka an’i Gresy io faminaniana io, nefa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany. I Aleksandra Lehibe ilay tandroka lehibe. Izy no mpanjaka niavaka indrindra tao Gresy, ary izy no nitarika ny tafik’i Gresy hiady tamin’ny Medianina sy Persianina. Vetivety anefa dia tapaka ilay tandroka, satria maty tampoka izy tamin’izy 32 taona, tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny fitondrany. Nozarain’ireo jeneraliny efatra ny fanjakany, tatỳ aoriana.—Vakio ny Daniela 8:20-22.

16 Nanjaka teo amin’ny Israely i Gresy, rehefa avy nandresy an’i Persa. Efa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Jiosy tamin’izay, ary efa voaorina ny tempolin’i Jerosalema. Mbola vahoaka voafidin’i Jehovah izy ireo tamin’izay, ary tao amin’ny tempoly izy ireo no nanompo azy. Nampijaly azy ireo anefa i Gresy, tamin’ny taona 168 T.K. Nanisy alitaran’ny mpanompo sampy tao amin’ny tokotanin’ny tempoly i Antiokosa Faha-4, iray tamin’ireo jeneraly nahazo ny fanjakan’i Aleksandra. Namoaka didy koa izy hoe hovonoina ho faty izay manaraka ny fivavahan’ny Jiosy. Tena nankahala ny vahoakan’i Jehovah tokoa ny taranak’i Satana! Tsy ela anefa dia nisy fanjakana matanjaka hafa nisolo an’i Gresy. Iza izy io?

LOHA FAHENINA: I ROMA FANJAKANA “NAMPAHATAHOTRA”
17 I Roma no fanjakana natanjaka indrindra eran-tany, tamin’i Jaona nahazo an’ilay fahitana momba ny bibidia. Izy io no loha fahenina amin’ilay bibidia. (Apok. 17:10) Nandray anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana ny Genesisy 3:15 i Roma. Nampiasa an’ireo mpitondra romanina mantsy i Satana, mba handratrana ny ‘voditongotr’ilay taranaka.’ Nendrikendrehin’izy ireo ho nampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana i Jesosy, ka nasainy novonoina ho faty. (Mat. 27:26) Vetivety anefa dia sitrana ilay ratra, satria natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy.

18 Niray tetika tamin’ireo mpitondra romanina ny mpitondra fivavahana jiosy, mba hamono an’i Jesosy. Nanda an’i Jesosy koa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany àry ny Israelita, ary nifidy firenena vaovao izy, dia ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 3:26-29; 6:16; Mat. 23:38; Asa. 2:22, 23) Iza io firenena vaovao io? Ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra rehetra, ka Jiosy ny sasany ary hafa firenena ny sasany. (Efes. 2:11-18) Mbola nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana, na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty aza. Imbetsaka ny fitondrana romanina no nitady handripaka ny Kristianina voahosotra, izay anisan’ny taranak’ilay vehivavy.*

19 I Roma no mifanitsy amin’ny tongotra vy, amin’ilay sarivongana nohazavain’i Daniela. (Dan. 2:33) Nisy fahitana iray koa hitan’i Daniela miresaka momba an’i Roma, sy ny firenena matanjaka hipoitra avy ao aminy. (Vakio ny Daniela 7:7, 8.) Tanteraka ny voalazan’ilay fahitana, satria toy ny biby “nampahatahotra sy nahatsiravina ary natanjaka tsy nisy hoatr’izany” i Roma, nandritra ny taonjato maro. Milaza koa anefa ilay faminaniana fa hisy “tandroka folo” hipoitra avy amin’i Roma, ary hisy “tandroka kely” hafa hatanjaka noho izy ireo. Iza ireo tandroka folo ireo, ary iza ilay tandroka kely? Inona amin’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara no mifanitsy amin’io tandroka kely io? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]
Ny fitambaran’ireo mpanompon’i Jehovah rehetra any an-danitra no antsoina hoe vehivavy, ao amin’ny Genesisy 3:15. Asehon’ny Baiboly ho toy ny hoe vadin’i Jehovah izy io.—Isaia 54:1; Gal. 4:26; Apok. 12:1, 2.
Mifanitsy amin’i Babylona ilay loha volamena ao amin’ny bokin’i Daniela sy ilay loha fahatelo amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy. Jereo ny sary ao amin’ny pejy 12-13.
Tsy vahoaka voafidin’i Jehovah intsony ny Israely ara-nofo, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny taona 70. Tsy fanafihana ny taranak’ilay vehivavy àry io fanafihana io, izany hoe tsy anisan’ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:15.

[Répondre]

aandrianorosoa dit :

salama tompoko,
efa mba mpanaraka ny fampianaran’i Pst Maihol ihany ny tenako fa tena gaga aho fa tsy dia ara-teolojika loatra ny zavatra lazainy;
fetsy koa izy satria mody ataony toriteny ilay izy dia laa kabary tsy valiana;
mpanao politika io rangahy io fa tsy mpaminany izany,
sy mialona azy aho fa mbajereo ange ny harenany e,impiry misolo vady ? mba olona miaina amin’ny ara-panahy ristiana ihany ve izany e ?misaotra tompoko nandray ny hevitro

[Répondre]

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Votre commentaire n'apparait pas ? Lisez ceci