Hifamotoana ao amin’ny kianja malalaka Lycée Technique Tamatave ny Rodobe Toamasina anio asabotsy 16 jona manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Fihaonana izay ho tarihin’i Zafy Albert. Ity farany izay efa eto Toamasina izao maraina izao. Ireo olona akaiky azy izay nanambara sahady fa hamoaka tsiambaratelo maro momba ny toe-draharaha eto amin’ny firenena i Profesora Zafy Albert mandritra io famoriam-bahoaka ataony androany io. Delegasionina maro no miaraka aminy, izay ahitana an’i Lezava Fleury avy amin’ny antoko Harena, Fetison Rakoto Andrianirina, Miandrisoa Marcel. Hanentana ny fihaonana kosa i Thierra Bruno. Nilaza ny Filohan’ny Rodobe Toamasina, Kotomanantsoa Rémi, fa efa nampahafantarina ny fisian’io hetsika io ireo manam-pahefana eto an-toerana. Nilaza koa ity tanan-kavanan’ny Profesora Zafy Albert ity fa mazava ny tenin’ny Filoha Zafy fa “tokony alefa mandeha mamongotra ireo asan-jiolahy any Atsimo daholo ireo miaramila Malagasy rehetra ireo fa tsy natao hanambotra anay mpanohitra. Ka na ho sakanana aza izahay androany, tsy maintsy ho tafiditra ao an-kianja”.
Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao politika eto Toamasina kosa dia ny mbola fahitana antso ataon’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina izay hifanao fotoana ihany koa ao amin’ny Kianja Magro Tanambao V amin’ny ora mitovy amin’ny hetsika ataon’ny Rodobe Toamasina eny amin’ny kianja Lycée Technique. Ity ankolafy ity izay tondroin’ny Rodobe Toamasina ho karazany nanala-tena tsy ho mpikambana ao anatin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana Toamasina intsony.
Nangonin’i N.I.M ( Toamasina)



vao2 farany: efa feno Emmo-Nat sy Emmo-Reg mihodinkodina ao Tamatave ville
[Répondre]
f’angaha tsy lasa any atsimo indray ny emmo-net…?
[Répondre]
Ny vahoaka tsy manana basy no tena hain’ireo ny miady aminy fa ny dahalo manana basy hatahorany : miaramila gasy ve ? ianao ihany no mamaly azy
[Répondre]
doudou a répondu :
juin 16th, 2012 à 15:27
@rama, ka izany no maha miaramila vatatay aminy ,sendra ny mahery noho izy dia miforon-drambo,raha mafy mandehana any atsimo mifanandrana amin’ireo dahalo,efa miandry anareo tokanono sy lemenabila,fa haleo ny vahoaka haneo ny heviny fa tena leo tanteraka amin’ity fitondrana jiolam-boto ny malagasy.
[Répondre]
ary inona moa no mba lesona natao-ndravalomanana jeneraly baomba « mégalomane tao @ invité de zoma », milaza azy ho mahay be sy mahay maminany fa hisy baomba hipoaka, nefa ny mpangalatra tsy resiny akory?
Io resaka dahalo io ange dia ry zareo mianakavy ihany io e!
ka mba mivavaka ihany ianao ry jeneraly baomba, ka ho hitantsika eo ny tohiny, fa na be diplôme arak’izay voalazanao aza ianao ka jamban’ny vola, ho aiza ny fanahinao?
[Répondre]
Koa na hamoaka tsy ambara telo na tsy hambara folo tsy mampihongana ny TGV zany izy ary zao efa nahazo ambassadeur roa sahady tato anatin’ ny roa andro . tsy USA sy Norvege ve sisa.
Mampme be
[Répondre]
rabekoto a répondu :
juin 16th, 2012 à 18:08
@antsirabempitolona, MINOHA fotsiny any isi zavatra hitranga eto matoa tonga ireo dia ao ra
[Répondre]
antsirabempitolona a répondu :
juin 16th, 2012 à 18:54
@rabekoto, ka zany no lazaiko hoe matoa ireo tonga de ao raha araka ny voalazanao, fa tsy ze tsy hambaratelo ny zafy no hampiala an’ io eo, tsika mbola baikon’ ny vazaha , misy ketrikany manokana eo.
Nefa aza hadino fa nisy mpitondra nanongana no nahatongavany teo, de nahazo reconnaissance ihany ny farany refa azony atao @ ze hanaovana azy, tsy teto Madagasikara io an!!!
Na iray efa nanaiky ny hanao ze tiany ny DJ, na iray efa misy konikonina indray any, tsy hoe miovaova hevitra za fa manao analyse toy ny manao Mathematique de jerena daholo ze cas mety mitranga.
[Répondre]
ry zafy zany no manohitra maivana tsy mahazaka vahoaka mintsy , tsy misy hantenaina ny aminy.
[Répondre]
dia hanao inona anefa zafy sinema ve?
[Répondre]
Inona foana ity tsiambara-telo lazain’ny ankolafy Zafy ity ê ??? je ne comprend pas !!!
[Répondre]
fiondranana a répondu :
juin 18th, 2012 à 08:22
@rirama, Efa impiry izay?????. Hatao kitozan’o,dry hiantsoana avelo amanangatra fotsiny izany fa resa-be hanodinanana ny hevitrin’ny vahoaka tsy hibanjina ny tokony hodian-dRavalomanana Marc…Avahay ho hita indray ity effet d’annonce mba fihetsikin’ny Profesora…Ny foza orana , biby mi-tourne moa ny an’ny ray amandreny Pr Zafy efa ny sainy mihitsy no mi-tourne fa efa antitra angamba…Tsisy effet-ny amin’iza na iza izay ataony rehetra hatrizay eeee!
[Répondre]
Alahady androany !!! Inona ary ilay TSIAMBARA-TELO nodradradraina izao ???
miandry!!!
Mba tokony hiezaka koa ny ankolafy Zafy mba hanana site internet hilazany ny heviny fa tena tara @ ny technologie ry zareo hatreto !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
[Répondre]
tsy ny hampody an’i RAVALO no itambarana fa be resaka fotsiny io ZAFY io. Fototry ny olana dia ny fodian’i RAVALO feuille de route io aloha fa resaka ny ambiny.
I BERIZIKY ty mipotra koa ny tena atidohany tena mba vendrana ilay tary, raha te-haka 19 mba io feuille de route io vitaina fa eo no be resaka eo Tssss.
Mission non accomplie io BERIKIZY e mbay teo !
[Répondre]