Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Ny alin’ny alahady 8 jolay lasa teo, olona miisa telo no maty nisy namono. Ny iray mpampianatra avy any amin’ny kaominina Fanandrana( Tamatave II) sendra mba nandeha nitsangatsangana tao Toamasina ny tolakandron’ny alahady lasa teo ary hita faty teo amin’ny toeram-panariam-pako Bazar may Cité Haras, tapaka ny filahiany. Ny iray hafa, teo amin’ny tetezana Ankirihiry. Ny iray farany, ramatoa vadina teratany frantsay iray monina ao Andranomadio 11/41. Ity farany izay mbola nahitana lambahoany tao anaty vavany izany hoe notsentseman’ireo olon-dratsy lambahoany ny ati-vavany.
Mila mailo arak’izany ny rehetra. Ireo mpandeha tonga avy any Antananarivo vao maraim-be ao amin’ny Gare routière Toamasina dia tokony hiandry andro mazava manodidina amin’ny 5 ora sy sasany maraina vao mamonjy fodiana, indrindra ho an’ireo monina any amin’ny toerana mandalo lalam-pasika.
http://ti1ca.com/f51vnjt9-sary-tahiry.JPG.html
Nangonin’i NIM( Toamasina)
nim.tama@gmail.com

tapaka filahina!? mino aho fa naleon’i lery ihany maty ka… marina moa!
[Répondre]
Dia mbola ilay resaka ahi-maitso ihany ve sanatria no nahatonga izao ? Tsy milamina mihitsy ianareo any izany an !
[Répondre]