Toamasina : vaky ny ady eo amin’ny CST Roland Ratsiraka sy CST Irmah


Mitohy ny tantara. Niha nirehitra ny raharaha mahakasika ny fanavaozana ny lapa maitso manoloana ny biraon’ny kaominina Toamasina. Taorian’ny famoriam-bahoaka nataon-dRoland Ratsiraka sy Botozaza Pierrot ny alakamisy lasa teo, izay nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny tsy tokony ikitihana ireo ahi-matso sy palmier manoloana io lapa io, tsy niandry ela ny valin-kafatra avy tamin’ny CST Naharimamy Lucien Irmah izay sady sekretera nasionalin’ny antoko Tgv. Ny sabotsy maraina lasa teo, nanao be midina teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ity CST ity sy ireo mpiara-dia aminy izay nahitana an’i Naivo Michel , mpanolotsaina manokan’ny PDS Toamasina ary ny CT Ndalana Hasina Espérant.

Namatapatatra izy ireo fa “fisakanana ny fandrosoan’i Toamasina io fihetsika ataon’ireo mpanao politika sasantsasany eto Toamasina ireo izay misakana ny fanatsarana ny tanànan’i Toamasina. Olona efa nitondra an’i Toamasina ireo olona ireo nefa tsy nisy zavatra vitan’izy ireo teto. Fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina io fanatsarana ny lapan’ny tanàna io, ka tokony hotohizana hatramin’ny farany. Mahagaga fa isika anateran-kira indray no milaza tsy mahay hihira. Isika mpanao politika indray no manakana ny fampandrosoana ».

Ho an’ny mpanara-baovao politika, dia efa karazany vaky ampahibemaso izao ny ady eo amin’ny CST Roland Ratsiraka sy ny CST Naharimamy Lucien Irmah avy amin’ny antoko Tgv. Ity farany izay mpanao gazety tao amin’ny Canal 6 tamin’ny fotoan’androny.

Efa miambina ny andian-jatovo

Etsy ankilany, nitana ny teny navoakany ingahy Roland Ratsiraka, efa napetrany ao amin’ny lapa maitso ireo andian-tanora hanara-maso sao mbola hanohy ny asa fikitihana ny ahi-maitso ry zareo avy eo anivon’ny SMAPT. Hatreto aloha, nihantona tanteraka ny asa fanavaozana, tsy namerina ny fefy vôlo intsony ny orinasa nahazo ity Tetikasa ity.

Fantsy alohan’ny fifidianana

Mazava amin’ny rehetra koa fa efa karazany hazakazaka ho any amin’ny fifidianana ity fifamelezana fantsy eo amin’ny MTS sy ny Tgv ity. Mazava ary efa takatry ny rehetra fa samy ho kandidà i Roland Ratsiraka sy Andry Rajoelina, ka samy efa miezaka mambabo ny fom-bahoaka.

Hivory tsy ara-potoana ny filan-kevitra kaominaly

Manoloana io raharaha lapan’ny tanàna io, hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo mpikambana ao anatin’ny filan-kevitry ny tanànan’i Toamasina rahampitso talata amin’ny 10 ora maraina. Tombanana sahady fa ny fanakanana ny fanohizana ny asa fanavaozana ny lapa maitso no fehin-kevitra hivoaka. Ny TIM sy ny MTS mantsy no maro an’isa ao anatin’ny filan-kevitra kaominaly ao Toamasina.

Andrasana arak’izany ny tohin’ity raharaha ity. Raharaha izay tena maha be resaka amin’ny toerana rehetra aleha ao Toamasina ary tsy ataon’ny mpanao politika sy ireo “mersenera” politika ambanin-javatra.

http://ti1ca.com/emgcrg39-Naharimamy-Lucien-Irmah.JPG.html

http://ti1ca.com/17twwyid-Roland-Ratsiraka.jpg.html

Nangonin’i NIM ( Toamasina)

nim.tama@gmail.com

D'accord, pas d'accord ? Réagissez - 10 réactions

Verohanitra dit :

Dia ahoana i Remenabila fa ianareo indray no tena eo anoloan’ny sehatra ? Famonoan’afo sa fandrebirebena ?

[Répondre]

Sara dit :

Handefa andRabilamena any Toamasina indray ny HAT fa mila faizina ireo CONCURRENTS ireo!

[Répondre]

benyaina dit :

Attention attention !!!

TTS, MTS etc…..

[Répondre]

fiondranana dit :

ireo ihany no mpivarotra tanindrazana, mpanao hosoka nogadraina navotsotr’i radjoel teo, ka izao vao mody mifanohitra eo imasombahoaka ???? MTS ve tsy hainao fa , cadre Baomanga avokoa ireny any Toamasina mody mitonona ho Betsimisaraka e?…Betsizaraina, Bemiranga, Bemolotra, Besandry sy Be bokony sns…

[Répondre]

Boy dit :

« Mazava amin’ny rehetra koa fa efa karazany hazakazaka ho any amin’ny fifidianana ity fifamelezana fantsy eo amin’ny MTS sy ny Tgv ity ». ka ireo anie na omena avance @ vaton’ny mpifidy aza tsy ho hisy ho lany zany e maika fa hiady an-trano ndray

[Répondre]

fenomanana dit :

Tsy rariny koasa raha ny ahimaitso sy palmier tapahina, raha hanisy jeux d´eau azo asina, azo atao ny hantsarana ny endrika fa io palmier io sy bozaka maintso no maha Toamasina an´i toamasina, iÁry tsy fahita eto madagasikara anie ireo palmier ireo, ireo no maha tanana tantsinanana amoontsiraka an´i toamasina.

aza ny fitavam-bola ahazo Marché sy fitiavana laza hanaovana propagande re ny hanimbana ny hasina sy haingon´i Toamasina.

tsy ianareo TGV mpanogam-panjakana izay efa nanimba betsaka teto no mbola hanova sy hanimba.

tetezamita izany tokony tsy misy fanovan-javatra na fanamboara-javatra fa ianareo mianakavy be afera maloto, ka izay vola miditra ao ampaosinareo no jerena voalohany ka hany io atidohakelinareo TGV io tsy misaina intsony .

[Répondre]

Verohanitra dit :

Samia mifamaky loha eo ianareo mpanongam-panjakana, ongoty ze tianareo hongotana, azerao ze tianareo azera. Faly zay fa miady an-trano ny foza. De ataovy kou ny ampamoaka fa zany zao no tena mafinaritra. Tsisy sahy hikasika anareo ny emmoreg sy ny emmonat fa foza hoatranareo.

[Répondre]

ravoalavo dit :

Fa tsy aleo ve aloha ny bozaka sy ahitra maintin’i Tokanono no amboarina sy hajariana e. Ny an’i Tokanono efa aman-taona maro no tsy nohetezana saingy tsy mba nisy nijery. Tsy azoko mihitsy ianareo, tena marina e

[Répondre]

fenomanana a répondu :

@ravoalavo, iza indray ity tokanono ity ravoalavo fa tena tsy arakay gasy tsotra.

[Répondre]

Verohanitra a répondu :

@fenomanana, vadin-drabenamila re i Tokanono e ! Ralebamina mantsy e ! Sa Rabelamina ?

[Répondre]

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Votre commentaire n'apparait pas ? Lisez ceci